« Fotoana mamy ho an’i Neny », lohateny mandravona sy mamintina ny fandaharam-potoana hotanterahina ny 4 jona izao, manomboka amin’ny 12 ora atoandro, eny amin’ny Espace Rose, By-Pass. Seho miaraka amin’ny tarika Solika, elaela tsy tazana teny an-tsehatra. Hahazo tombony amin’ny fihainoana ny bagasy sy ny kalon’ny fahiny ary ny hiran’ny omaly ny reny rehetra ho tonga eny an-toerana satria hifandraika amin’izany ny tolotra omen-dry zareo 18 mianadahy mandrafitra ny tarika. Ankoatra ireo efa zoky, tazana ao anatin’ity tarika ity ihany koa ireo tanora manana ny talenta goavana.
Mbola ny tanora ihany koa no hanome sehatra sy lanja lehibe ny fianjaika malagasy mandritra io seho io. « Tanora vao misondrotra misehatra amin’ny fianjaikana sy ny lamaody maneho ny maha Malagasy izy ireo », raha ny fanazavan’ny tomponandraikitra. Ankoatra ny fizarana hafaliana sy fanomezan-kasina ireo reny, amin’io fotoana io, tanjon’ny Groupe Jet location, mpikarakara, ihany koa ny hampitiavana indray ny Malagasy, ny kolontsainy. « Variana sy sondriana loatra amin’ny kolontsain’ny hafa firenena izay mibosesika sy manao be fiavy eto amintsika isika, ankehitriny », hoy hatrany ireto mpikarakara ireto.
Amin’ny ankapobeny, teo amin’ny Malagasy, ny reny no mikarakara ny sakafo. Amin’ ity fankalazana ny « Fetin’ny Reny » eny amin’ny Espace Rose, By-Pass, ity, efa vonona eny an-toerana ireo hanimpitoloha !
Nanangona : HaRy Razafindrakoto