CHU SSPA: nitombo ny olona tratran’ny fahakivian-tsaina tanteraka

Hopitaly mahavantana ny olona ny CHU SSPA eo Analakely. Manana sampana misahana ny fahasalaman’ny saina izy ireo. An-jatony isan-taona ny olona tonga manatona.

Mampiavaka ny CHU SSP Anala­kely ny sampana ho an’ny fahasalaman’ny saina. Manome fitsaboana sy fandraisana an-tanana ary fanohanana ara-tsaina ireo olona manana olana ara-tsaina, midoroka zava-ma­hadomelina, olona mifanintona… anatin’ny hopitaly kilasy mody. 16 hatramin’ny 25 taona ny ankamaroan’ny olona raisina an-tanana, araka ny fanazavan’ny lehiben’ny sampandraharaha, dokotera Razafindrasoa Nivohanitra, teny Anala­kely. Ireo mikorotan-tsaina, mifanintona, marary an-doha matetika no maro anisa izay mety avy amin’ny fiainana andavanandro, olana anatin’ny tokantrano, fandraisana zava-mahadomelina. 30 isan’andro eo ho eo ny olona azo raisina ho fikajiana ny kalitaon’ny fitsaboana omena. Manana profesora roa, mpitsabo telo sy interne qualifiant ny sampam-pitsaboana miaraka amin’ny specialiste hafa manampy amin’ny fitsaboana. Mila ampiana ny mpiasan’ny fahasalamana ao anatin’ny sampana fa tsy maharaka.
Taorian’ny fiparitahan’ny Covid-19, niakatra ny isan’ny olona manatona ny sampam-pitsaboana ary ny fahakivian-tsaina tanteraka (depression) no maro anisa. Manana psy­chologue izy ireo mandray an-tanana anatin’ny hopitaly kilasy mody fa miverina arakaraka ny filana. Maharitra ny fitsaboana satria mitarazoka ny aretina nefa ny vidim-panafody lafo ka misy ireo tsy mahatody hatramin’ny farany fa manapaka ny fitsaboana.
Ho an’ny taona 2022, na­hatratra 1511 ny olona no­raisina an-tanana tao amin’ny sampana misahana ny fahasalaman’ny saina CHU SSPA. Mahatratra 0,57% ny olona manana olana ara-tsaina vo­katry ny fandraisana zava-mahadomelina.

Maro anisa ny vehivavy

Misongadina fa ny vehivavy no maro anisa mila fitsaboana ao amin’ny hopitaly satria tsy mahazaka olana sy be taraina raha mitaha amin’ny lehilahy, araka ny fanazavan’ny dokotera.
Ho an’ny fandraisana an-tanana manokana ny tanora 0-25 taona, omena torohevitra izy ireo momba ny fananahana ara-pahasalamana, ny fi­fandraisana amin’ny ray aman-dreny. Ho an’ny taona 2021, olona 64 no noraisina tao amin’ny hopitaly kilasy mody ary mitovy amin’izay ihany koa ho an’ny taona 2022. Ny fahakivian-tsaina no mahazo vahana, 23% amin’ireo tonga ary ny zatovovavy no betsaka amin’izany, 75,36%.
Ankoatra ireo asa fitsaboana sahaniny, manampy ny fanaraha-maso ny olona marary hiverina eny anivon’ny fiarahamoina sy ny fiainany andavanandro ny mpiandraikitra ny hopitaly kilasy mody. Manohana ireo ankizy sy tanora manana olana amin’ny fianarana ihany koa sady manao tan-tsoroka ara-tsaina sy ara-tsosialy.

Vonjy A.

Partager sur: