CUA : notokanana ny birao vaovao eny Antsahabe

Nahazo biraom-panjakana vaovao ny eo anivon’ny kaominina Antanana­rivo Renivohitra, eny Antsa­habe. Tonga nitokana izany teny an-toerana ny ben’ny Tanà­nan’Antanana­rivo Renivo­hi­tra, Andrian­tsitohaina Naina, sy ny Filo­han’ny fi­lankevitra mo­nisipaly, Rali­tera Andriam­pa­rany, omaly. “Natokana hi­asan’ny de­partemanta mi­­sahana ny fananan’ny kaominina io birao vaovao io ary hahafahana mifanerasera amin’ ny mponin’ Anta­­na­narivo”, hoy ny ben’ ny Tanànan’ Antana­narivo, Andriantsi­to­haina Naina. Manana velarana 90,51 m2 sy misy rihana iray ary ahitana efitra ma­romaro hiasan’ny mpiasa ny trano, raha ny bikabikan’ny trano. Efa vonona tanteraka ireo mpi­asa eny an-toerana hiantsoroka ny asa aman-draharaha eo anivon’ny kaominina. Mba ha­nomezana fahafaham-po ny mponina rehetra, raha ny fanazavana. Marihina fa nisy ny fiaraha-miasa tamin’ny fahefana mpanatanteraka sy ny filankevitra mo­nisipaly ary ireo mpiara-mi­ombon’antoka ka nahafahana nanatanteraka ny asa, raha ny fanazavana voaray.

Mino (mpianatra asa)

Partager sur: