Nanomboka, omaly, teny amin’ny Akademia Malagasy Tsimbazaza ny fahatsiarovana ny faha-100 taonan-dRakotovao Martin, mifanindran-dalana amin’ny fanamarihana ny faha-90 taonan’ny sekoly Anglikana trinité masina Avaratranjoma. Nisongadina izy teo amin’ny sehatry ny politika, fitiavan-tanindrazana ary ny fanabeazana sy ny finoana. Mpikambana tao amin’ny MDRM ny taona 1946 izy ary voasambotra sy voaheloka ho faty niaraka tamin’i Dr Raseta sy Ravoahangy ny volana oktobra 1948, araka ny famelabelarana nataon’ny mpampianatra mpikaroka eny amin’ny oniversiten’ Antananarivo, ny profesora Razafiarivony Michel. Nalefa sesitany tany Frantsa ary niverina an-tanindrazana ny volana jona 1960. Efa solombavambahoaka koa ny tenany.
Nanana anjara andraikitra lehibe Rakotovao Martin teo amin’ny fanabeazana satria nanorina ny sekoly tsy miankina Fitarikandro ary nisahana ny talen’ny sekoly anglikanina teto Madagasikara nandritra ny 30 taona. Mbola nitana ny andraikitra, talen’ny fitantanana ny firaisan’ny sekoly tsy miankina rehetra teto Madagasikara (Dnepm) koa izy, ny taona 1973.
Olon’ny fiangonana anglikana rahateo satria mpikambana tao amin’ny synoda ary anisan’ny nanangana ny Fiombonan’ny fiangonana kristianina eto Madagasikara (FFKM). Manana fikasana handraikitra anaty boky ny tantarany hoan’ny taranaka sy ny tanora aty aoriana ny fianakaviana sy ny tomponandraikitra satria mendrika atao modely Rakotovao Martin.
Vonjy A.