Tontosa, omaly, teny Tsimbazaza, ny fivoriambe iombonan’ny Akademia Malagasy. Fotoana nahatsiarovana ireo mpikambana efa maty teo anivon’ny fikambanana. Anisan’ny notsarovana manokana tamin’izany, ny Filohan’ny sampana tao Mahajanga, Issouf Ben Assoumacou. Marihina fa teraka ny 26 Marsa 1949 tany Morafeno, Mahajanga izy. Nodimandry ny 16 oktobra 2022.
Notantaraina, nandritra izany, ny tantaram-piainany. Nandranto fianarana maro samihafa izy. Niasa teo amin’ny sehatry ny fampianarana. Anisan’ny niasa teo anivon’ny Dren Boeny ary lasa adjoint pédagogique tany Mahajanga I, ihany koa avy eo. Ankoatra izay, lehiben’ny fari-piadidiam-pampianarana (Cisco) tao Soalala. Nafindra toerana tany Mahajanga avy eo ka nitana andraikitra teo amin’ny lafiny sosialy (fahasalamana, mponina, tanora ary fanatanjahantena)…
Mahatoky ny fikambanana Akademia Malagasy fa andry iankinan’ny fikambanana ireo taranany sy ny mpianany ary ny mpikamban’ny Akademia any Mahajanga.
Mino (mpianatra asa)