Nanao poa-droa, ny Akio de Madagascar teo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’ny faritra fahafito “IHF Trophy 2023”, taranja handball. Fifaninanana, notanterahina tao amin’ ny kianja Johannesbourg Afrika Atsimo, ny sabotsy lasa teo. Norombahin’ny Malagasy avokoa ny amboara teo amin’ ny sokajy cadette sy junior, vehivavy.
Raha ny voka-dalao, resin’ ny Akio, tamin’ny isa 28 no ho 13, i Malawi, teo amin’ny cadette. Nanjakan’ny tovovavy malagasy ny fihaonana. Nitarika hatrany am-boalohany ny Akio. Tombony ho an’ny mpilalao malagasy ny fanafainganana ny fanafihanana.
Teo amin’ny junior, resin’ ny Akio de Madagascar, tamin’ ny isa 17 no ho 14 ny Afrikanina tatsimo, mpampiantrano. Tsy nihafihafy fa nifehy ny lalao ny Akio. Tsy nahavaky ny vodilaharana malagasy i Afrika Atsimo. Efa nitarika, tamin’ny isa 5 no ho 2 ny Akio vao niakatra tsikelikely ny afrikanina tatsimo saingy tsy nahatratra ny Akio intsony.
Hisolotena ny faritra fahafito eo amin’ny “IHF Trophy”, kaontinantaly ny Akio de Madagascar. Andrasana izay ho firenena hampiantrano sy ny fotoana hanatontosana izany.
Tompondaka