Nankalazaina ny faran’ny herinandro teo ny Andro maneran-tany ho an’ny fahadiovana mandritra ny fadimbolana. Nanatanteraka izany teny amin’ny paroasy Anosy avaratra sy Ambohitsoa ny fikambanana fanilon’i Madagasikara, eto Antananarivo. Tanjona ny hampahafantarana ny rehetra fa ilaina sy zava-dehibe ny fahatongavan’ny fadimbolana, ary ny fahadiovana mandritra izany eo amin’ny ankizivavy.
Mbola olana eto Madagasikara ny tsy fahafahana miresaka ny fadimbolana, raha ny zava-misy. “Mila hamafisina ny fifampiresahana eo amin’ny zanaka vavy sy ny rainy ao an-tokantrano mba tsy ho menatra rehefa tonga izany satria voajanahary amin’ny vehivavy izany”, hoy ny mpandrindra nasionalin’ny fandaharan’asa Yess Girls Movement, Randrianasolo Perpétua Marie Tanjonirina. Nilaza izy fa tokony hanana rano madio ny tokantrano tsirairay, hidiovan’ny ankizivavy mandritra izany. “Entanina ihany koa izy ireo mba hampiasa salaka lamba azo sasana mba hiarovana sy hananana fahasalamana eo amin’ny taovam-pananahana”, hoy hatrany izy.
“Ankoatra izay, tokony hiomana amin’ny fizarana salaka ho an’ny ankizivavy ny sekoly sy ny fanjakana”, hoy ny mpikambana Yess professionnel avy any Kenya, Muthomi Kendy Mercy. Nilaza izy fa tsy tokony hihomehezana ireo ankizivavy raha sendra misy rà ny akanjo anaovany eny an-dalana sy any am-pianarana fa atoro sy ampianarina izy ireny. Hamafisin’ny fitondram-panjakana sy tomponandraikitra maro samihafa ny fanentanana sy fampahafantarana ny rehetra fa ilaina sy hiarahan’ny vehivavy ny fadimbolana. Nanao lahasa maro nampahafantarana izany teto Antananarivo izy ireo, nanomboka ny 24 hatramin’ny 28 mey lasa teo.
Mino (mpianatra asa)