Rakotondrabe Romuald : mpanazatra ny Barea zokiny

Araka ny vaovao navoakan’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra, omaly, Rakotondrabe Romuald Felix na i Rôrô no mpanazatra hitondra ny Barean’i Madagasikara. Ny 14 oktobra, hanaovana ny fifidianana ny filohan’ny FMF vaovao.

Toy niandry vohoka ny namohana ny anaran’ny mpanazatra ny Barea de Madagascar vaovao, handimby an’i Nicolas Dupuis, teknisianina frantsay. Araka izany, Rakotondrabe Romuald Felix na i Rôrô no mpanazatra vaovao hitondra ny Barea A, amin’ity fifanintsanana “Can Côte d’Ivoire 2023” ity. Vaovao nafana navoakan’ny Federa­siona malagasin’ny baolina kitra (FMF), omaly, tao anaty tambajotran-tseraseran’izy ireo.
“Tsy misy resaka mpilalao milaravinahitra sy eto an-toerana fa izay vonona hilalao baolina sy hiaro ny voninahi-pirenena ihany no mandrafitra ny ekipam-pirenena Barea de Madagascar”, hoy i Rôrô.
Hiezaka ny tsy hanala baraka ny Barea ity mpanazatra ity, ary raha ny nambarany dia miisa 30 eo ireo mpilalao kasainy hantsoina. Araka ny nambaran’ny FMF, ny traikefa sy ny fomba fijerin’ity mpanazatra ity, hanome ainga vao ao anatin’ny ekipam-pirenena Barea de Madagascar. Tsia­hivina fa ity teknisianina malagasy ity, efa nampiakatra avo ny Barea nandritra ny “Chan Algerie 2022”, nahazo ny medaly alimo izy ireo tamin’izany.
Tsara ihany ny mampahafantatra fa, ny 18 jona ho avy izao, hifanandrina amin’ny Barea de Madagascar sy ny Black Star Ghana. Marihina fa lalao miverina amin’ny fifanintsanana Can Côte d’ Ivoire 2023 izany. Tsiahivina fa eo amin’ny laharana farany isika ary isa tokana ihany no ananana hatreto.

Hisy fifidianana filohan’ny FMF, ny 14 oktobra 2023
Notontosaiana, omaly, teny Isoraka, ny valandresaka na­taon’ny Vaomiera misahana ny fifidianana eo anivon’ny Fe­derasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF). Nam­pa­hafantarin’izy ireo, tamin’io fotoana io, fa ny 14 oktobra ho avy izao no hanatanterahana ny fifidianana ny komity mpitantana ny FMF, ho an’ny efa-taona manaraka, 2023-2027.
Araka ny fanazavan’izy ireo, mizara roa toy izao ity Vaomera ity, dia ny Com­mission electorale (CE), izay tarihin-dRalavarisoa Beby Fa­bienne sy ny Commission de recours (CR), tantanan’i Mai­tre Andrianasolo Andry Fian­kinana. Araka ny fanazavan’izy ireo, ny CE no hikarakara ny fifidianana rehetra eo anivon’ny FMF, raha toa ka ny CR no mandray ny fitarainana rehetra. Marihina fa ny 24 aogositra ho avy io, hifarana ny asan’ireo komity mpanatanteraka eo anivon’ny FMF.
Tsara ny mampahafantatra fa mianga eny ifotony izany ka hatomboka ny 1-2 jolay 2023, ny fifidianana eo anivon’ny seksiona ka ny filohan’ny klioba no mifidy. Aorian’izany, ireo filohan’ny seksiona indray no handatsa-bato ho an’ireo filohan’ny ligy, ny 12 aogositra 2023. Rehefa vita izany, ireo filohan’ny ligy ireo no hifidy izay ho lehibe vaovao hitantana ny FMF.
Tsara marihina fa ao amin’ilay rohy www.fmf.mg no ahitana ny vaovao rehetra mahakasika ny resaka taratasy momban’ny filantsahan-kofidiana.

Fitia ( Mpianatra asa)

Partager sur: