Volley-Mada 2023: nanao pao-droa ny GNVB

Namiratra tanteraka ny ekipan’ny GNVB (Gendarmerie Nationale Volley-Ball), nandritra ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasiakara, notontosaina tany Toamasina. Samy norombahany avokoa ny fandresena, teo amin’ny sokajy lahy sy vavy. Teo amin’ny sokajy vehivavy, nolavoin’ny GNVB, tamin’ny seta 3 no ho 1, ny tompondaka 2022, ny Stef’Auto Toamasina. Vokatra tsara ho an’ny GNVB satria fandresena voalohany azon’izy ireo ity. Ho an’ny sokajy lehilahy kosa, nandrombaka ny fandresena toy ny isan-taona ny GNVB lehilahy, rehefa nandavo ny ekipan’ny Asi, tamin’ny seta 3 no ho 1.Laharana fahatelo teo amin’ny vehivavy ny Asi. Ny CVBF kosa ny fahatelo teo amin’ny sokajy lehilahy. Araka izany, hisolo tena an’i Madagasikara, amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika aty amin’ny faritra faha-7 ny GNVB lahy sy vavy.

Mi.Raz

Partager sur: