Hiara-hiasa ny Ampanjaka sy ny minisiteran’ny Fahasalamana ary ny mpanohana teknika sy amin’ny vola hampiakarana ny tahan’ny fanaovam-baksiny.
Nidina ny tahan’ny fanaovam-baksiny teto amintsika nandritra ny fiparitahan’ny Covid-19 noho ny fihibohana sy ny tsaho maro niely. Tsy ny vaksiny miaro amin’ny Covid-19 ihany no nampalaina ny vahoaka fa nihena koa ny isan’ny ankizy vita vaksiny mialoha ny fahaherintaonany izay miaro amin’ny aretina maro. Ilaina ny fiaraha-miasa amin’ny mpitazona ny fomban-drazana, mpitsabo nentim-paharazana, raiamandreny ara-drazana ary ny Ampanjaka sy ny sojabe hanamora ny fanentanana ny olona eny ifotony sy handresy lahatra hampanao vaksiny ny kilonga madinika. Nantsoina eto Antananarivo avokoa ireo olobe avy amin’ny faritra maro : Atsimo Atsinanana, Boeny, Anosy, Atsimo Andrefana, Sofia, Menabe, Diana… handrafitra paikady handresen-dahatra ny vahoaka eny ifotony harisika hanao vaksiny ny zanany. 120 ireo mpikambana amin’ny Fédération des communautés royales et traditionnelles de Madagascar (FCRTM) nanatrika ny fivoriana teny Ivato, hifarana anio.
Mandritra ny fivoriana, hisy fifanarahana miaraka amin’ny sampandraharahan’ny Firenena Mikambana momba ny fahasalamana (OMS) sy ny raiamandreny ara-drazana hametraka tanjona hampiakarana ny tahan’ny fanaovam-baksiny, hoy ny solontenan’ny OMS eto amintsika, Dr Laurent Musango, omaly.
Zavatra telo lehibe no tokony hojerena hampandrosoana ny fahasalamana eto amintsika, fampiakarana ny tahan’ny zaza vita vaksiny sy ny fanafoanana ireo tsy nahazo fatra na iray aza, fampiroboroboana ny fandrindram-piterahana ary ny fampitomboana isa ny CSB any ambanivohitra lavitra. Manana anjara andraikitra lehibe
amin’ny fahombiazan’ny asa roa voalohany ny raiamandreny ara-drazana rehetra, hoy hatrany izy. Azo sorohina ny aretina amin’ny fanaovam-baksiny, azo sorohina koa ny vohoka tsy iriana amin’ny fandrindram-piterahana ka ireo no imasoan’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, Pr Randriamanantany Zely.
Vonjy A.