Vita tamin’ny herinandro lasa teo ny lalao ampahefa-dalan’ny “Playoff OPL 2023”. Efa fantatra fa ireo ekipa efatra tafita avy tao amin’ny kaonferansy avaratra ihany no hiatrika ny lalao manasa-dalana. Anisan’izany ny Fosa, Ajesaia, Cosfa, AS Fanalamanga.
Taorian’ny fihintsanan’ ny CFFA Andoharanofotsy teo amin’ny lalao ampahefa-dalana, ny “Playoff OPL 2023”, nanoloana ny Ajesaia, hiova tanana, araka izany, ny ekipa hibata ny amboara. Araka ny fandaharan’ ny CFEM, hotanterahina ny 10-11 jona ho avy izao, ny manasa-dalana mandroso, amin’ity fifanintsanana ity. Anisan’ireo fihaonana tena andrasan’ny maro, ny fifanandrinan’ny Ajesaia Bongolava sy ny Fosa Junior FC Boeny.
Araka ny fikarohana natao, mbola manala vela ny mpilalaon’i Bongolava. Efa lavon’ny ekipan’i Boeny, tamin’ny isa 2 no ho 0, izy ireo, nandritra ny fifandonana voalohany ho an’ny fiadiana lohany isam-bondrona tao amin’ny kaonferansy avaratra, ny 27 novambra lasa teo. Raha ny fihaonan’ny roa tonta farany, natao ny 16 marsa lasa teo, nisaraka ady sahala 0 no ho 0. Tsara ny mampahafantatra fa ny Fosa Junior, voalohany tao amin’ny vondrona avaratra raha toa ka fahefatra ny Ajesaia.
Hanao valin’ady amin’ny Cosfa ny AS Fanalamanga
Ankoatra izay, hanatanteraka valin’ady amin’ny Cosfa ny AS Fanalamanga satria efa lavon’ny mpilalaon’ny miaramila tamin’ny isa 1 no ho 0 ny AS Fanalamanga, ny 19 febroary lasa teo. Fihaonana tao amin’ny vondrona avaratra ihany. Raha ny lalaon’ny roa tonta farany indray, izay notontosaina ny 10 marsa lasa teo, dia nisaraka ady sahala samy tsy nisy nitoko.
Tsiahivina fa ny 24 jona ho avy izao no hanatanterahana ny dingana faharoa ho an’ ireto klioba efatra ireto ka izay tafavoaka eo no manao lalao famaranana, eo amin’ny kianja Barea Mahamasina, ny 2 jolay 2023.
Tsara ny mampahafantatra fa iantohan’ny fanjakana ny fiatrehana ny fifaninanana afrikanina ho an’izay ekipa voahosotra tompondaka.
Fitia (Mpianatra asa)