Tontosa, omaly, teny amin’ ny foiben’ny Komity olympika malagasy Ivandry, ny famoahana ny andiany faha-4, mitondra ny anarana “Henri Roger Naturel”, niatrika ny Cours Avancés en Management du Sport (CAMS), taona 2022. 17 mianadahy izy ireo no nahavita ny fianarana hatramin’ny farany, izay naharitra 7 volana. Nanomboka ny volana avrily 2022 ary nifarana ny oktobra 2022 izy ireo no niofana sy nanatanteraka ny tetikasany. Tsiahivina, fiofanana nomen’ny Komity olympika malagasy ity CAMS ity ary manan-kery eo amin’ ny sehatry ny fitantanana ny fanatanjahantena eto Madagasikara sy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny mari-pahaizana azon’ireo mpiofana.
Voasafidy ho mpiofana mendrika indrindra tamin’ity andiany 2022 ity Ramanandraivonona Elinjara Luc, izay nahazo ny naoty ambony indrindra. Nambarany fa mafy ny niainana izay 7 volana izay, saingy vita soa aman-tsara ihany ny fianarana. Tena ilaina, hoy izy, ny fianarana ny fitantanana ny fanatanjahantena eto amintsika ary mila mijoro sy mitondra ny fanatsarana ireo izay nahavita ny fianarana mba hampandrosoana ny firenena. Nanamafy izany ihany koa ny filohan’ity andiany faha-4 ity, Rakotozafy Rosa, fa mila olona manana fahalalana ny fitantanana fanatanjahantena eto Madagasikara. Mila hamafisina foana, hoy izy, ny fahaiza-manao mba hampivoarana ny fitantanana ary ny fianarana tsy misy fetrany.
Tetsy ankilany, nambaran’ ny ray mpiahy ity andiany “Henri Roger Naturel” ity, Randriamanarivo Harinelina, fa andrasana ny fampiharana izay norantovin’ireto mpianatra ireto ary tokony ho hita taratra amin’ny fitantanana fanatanjahantena eto Madagasikara izany. Nisaotra manokana ny mpiofana izy tamin’ ny nisafidianana ny anarana “Henri Roger Naturel”, olobe teo amin’ny fanatanjahantena malagasy, nodimandry ny taona 2022 teo.
Tsiahivina, ny talen’ny fampiofanana, Ratoavinirina Ramaroson no niandraikitra ny fiofanana nandritra ny 7 volana.
Amin’ity volana jona ity no hanomboka ny fianarana ho an’ny andiany 2023 amin’ ny CAMS.
Mi.Raz