Azo notsapain-tanana ny vokatry ny fifaninanam-pirenena U19, taranja baolina kitra, nokararain’ny vaomieran’ny baolina kitra ho an’ny tanora eo anivon’ny federasiona malagasy (FMF). Fihaonana, notanterahina tamin’ny faritra maro teto Madagasikara, izay nifarana ny volana mey lasa teo. Tafapetraka ny dingana amin’ny fampiroboroboana ny baolina kitra miainga eny ifotony, amin’ny alalan’ny fanatontosana lalao ho an’ireo zandrikely. Raha tsiahivina, nandray anjara tamin’izany fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara izany avokoa ireo ligim-paritra 22, notohanan’ny vaomiera ka nanome hery sy fankaherezana ireo ligy amin’ny fampivoarana ny baolina kitra tany amin’izy ireo. Tanjon’ny vaomieran’ny baolina ktira ho an’ny tanora rahateo, tamin’ iny fiadiana ny ho tompondakam-pirenena iny, ny fitrandrahana ny talenta miafin’ireo mpilalao taninketsan’ity taranja ity. Nanamafisana ihany koa ny tanjaka sy ny fahaiza-manao teknika izay tsy misaraka amin’izany ny toe-tsaina. Tsiahivina fa nitiliana ireo mpilalao handrafitra ny Barea U20, hiatrika ny Cosafa Cup, izany. Nanana ny lanjany ny toe-tsaina tia mifaninana ka nanolorana fankasitrahana ny mpandresy, 20 tapitrisa Ar ary 10 tapitrisa Ar ho an’ny faharoa, eo koa ireo mpilalao mendrika. Tsiahivina fa ezaka nataon’ny vaomiera ny nisoroka ireo mpilalao mangala-taona, izay nesorina avy hatrany tsy ho anisan’ny Barea. Deraina manokana ireo teknisianina teto an-toerana sy ireo avy any ivelany nanaraka hatrany am-boalohany ka hatramin’ny farany ny fifaninanana, izay tsy nikely soroka ka nahitana ny fahombiazana.
Tompondaka