Vaovao mbola mahasarika ny sain’ny maro ny mahakasika ireo telo lahy, namoy ny ainy tany Fianarantsoa, ny sabotsy lasa teo. Voalaza fa mpanao aferam-batosoa, voasoloky sy voafandrika ka niharan’ny fitsaram-bahoaka. Mazava ny filazan’ny fianakaviana fa mpisoloky avo lenta sy tambajotran’olon-dratsy manerana an’i Madagasikara no ao ambadiky ny raharaha. Betsaka ny efa voalaza, maro ny mbola holazaina fa asiana tsindrim-peo manokana, anio, ny fitandremana.
Tsy vao sambany no misy mpisoloky sy Ramoramanana tahaka izao. Ankoatra ny tsy fandriampahalemana, mahazo laka ny fisolokiana sy ny fivadiham-pitokisana. Miseho amin’ny endriny maro izany, ka mitaky fahamalinana sy fahamailoana amin’ny isam-batan’olona. Miainga amin’ny tsirairay ny fisorohana izay azo sorohana mba hialana amin’ny patsa iray tsy omby vava.
Tsy miseho amin’ny endrika ratsy velively ny mpisoloky. Tsy maintsy amin’ny fihetsika mambabo fo sy teny mampodimandry. Tsy sanatrian’ny vava, mandatsa ireo efa voa fa manentana ny hafa tsy ho tafajabaka any anaty fitaka goavambe. Tsy tokony ho jamban’ny vola sy fahasoavana mora azo ny olona, na inona na inona fahantrana. Mila mandinika lalina ny tolotra miseho. Ilaina ny fitandremana amin’ny olona mifanerasera. Efa tsy fantatra intsony ny namana sy ny fahavalo. Matetika aza ny olom-pantatra sy izay heverina fa akaiky no tena fositra sy manao mpamosavy malemy. Mainka fa olona tsy fanta-pototra, mampanantena volana sy ny masoandro.
Anisan’ny teboka iray, goavana tsy azo tsinontsinoavina ka hanentanana ny rehetra tsy ho voafitaka : mba fidifidiana sy fadifadiana ny fanomezana vola, kanefa ny asa tsy manomboka akory, na tsy hitan’ny maso izay ho takalony. Zava-dehibe mba fizarazarana izay hatao amin’izay azo ifampizarana. Ilaina ny torohevitra sy ny tari-dalana, ary indrindra ny fifanampiana sy fizarana vaovao.
Betsaka amin’ny olona voafitaka no voafandrika, noho ny tsy fahafantarana ny zava-misy marina, hany ka mihinana am-bolony. Tsy ampy hanadiovan-tena hoe lasibatra noho ny antony izatsy na izaroa na sanatrian-dresaka ny azon’ody sy ny fandraikiraikena. Izay no tena ilana fandinihana lalina hatrany amin’ny fanapahan-kevitra horaisina na ny zavatra hatao. Ireny no ilàna ny fifaneraseran’ny mpiara-belona. Tena fositra amin’ny zava-misy ankehitriny, ny samy maka ho azy na ilay fitiavantena.
Hain’ny olon-dratsy ireny fahalemen’ny isam-batan’olona ireny, hany ka araraotiny. Fantatr’izy ireo mialoha ny mpitady tany malemy hanorenam-pangady, andaniny, ka mora voafandrika anaty harato. Efa hain’ny olon-dratsy ny faharefoan’ny olona very fanantenana, ankilany, ka lalaoviny. Mazava ho azy tsy ny mpitandro filaminana no afaka hamaha voalohany ny olana, fa ny tsirairay avy. Mila manamafy fifampiresahana ny tsirairay any an-tokantrano. Mila mifanakalo vaovao, sy mifampitantara ny zava-misy iainana andavanandro, ary indrindra mifanoro izay fitandremana tokony horaisina eny rehetra eny!
r.r