Nisafidy ny dihy mirindra sy ny tantara an-kira ny tanora mivondrona ao amin’ny sampana Fanantenana, eo anivon’ny fiangonana FPVM Antaninanandrano, hanairana sy hanentanana ny tanora sy ny daholobe momba ny voka-dratsin’ny fifohana sigara. Teny Analakely izy ireo no nanao ny hetsika, ny alarobia lasa teo, izay Andro iraisam-pirenena natokana tsy hifohana sigara. Novoizina fa ny fifohana sigara no lalana iray hidiran’ny tanora amin’ny zava-mahadomelina mahery vaika, hoy ny mpiandraikitra ny sampana, Hanitriniala Miora. 270 ireo tanora mpikambana ao amin’ny sampana fa ampahany no nian-tsehatra. Hetsika efa fanao isan-taona ny fanentanana tahaka izao any ambanivohitra fa niova ho teto an-dRenivohitra izy tamin’ity taona ity, satria miha maro ny ankizy mandray zava-mahadomelina ka loza mitatao ho an’ny tanora. Vahaolana mahomby ny fitaizana ny tanora ara-panahy ho arofanina amin’ny fidirana amin’ny sigara sy ny zava-mahadomelina.
Natao maoderina ny fomba nizarana ny hafatra, hahasarika ny tanora nandalo teny Analakely ka nihaino ny fanentanana. Ny taona 2008, nahatratra 19,3% ny tahan’ny fifohana sigara ary sorohana tsy ho voasarika amin’ny fifohana sigara ny 12,5%-n’ny tanora, araka ny fanadihadiana, enquête nationale global young tobacco survey (GYTS). Izay no nametrahana sary sy hafatra fanentanana eo amin’ny fonon’ny sigara teto amintsika.
Vonjy