Nankatoavina nandritra ny filankevitry ny minisitra, ny alarobia teo, ny fandraisan’ny fanjakana malagasy an-tanana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany mikasika ny fampidirana ireo fitaovam-pampianarana hozaraina ho an’ireo sekoly any amin’ny faritra Androy.
Fanomezana avy amin’ny «Fondation Global Communities», tafiditra indrindra ao anatin’ny tetikasa «Mianatra» izany. Ho tonga tsy ho ela any amin’ny seranan-tsambon’i Taolagnaro ireo fitaovana ireo ary hozaraina avy hatrany amin’ireo sekoly misitraka ny tetikasa. Horaisin’ny fanjakana an-tanana ihany koa ny hetra sy haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany mikasika ny fampidirana fitaovana ilaina amin’ny hamehana any an-tsekoly sy fitaovana hanamboarana onjam-peon’ny fampianarana (Radio Nationale scolaire), izay vatsian’ny Unicef vola.
Tatiana A