Nosokafana tamin’ny fomba ofisilay, omaly, ny fankalazana ny tsingerin-taona, namerenana ny fahaleovantenan’i Madagasikara, taorian’ny fanjanahantany. Nanakoako teto an-drenivohitra ny lanonana. Toy ny mahazatra, mamelombelona ny afon’ny fitiavan-tanindrazana izany. Manohina ny fo hatrany ny fihainoana ny tantara sy ny lalana nizoran’ilay Madagasikara malalantsika. Mamoha ilay ambom-po, efa kivikivin’ny fanaovana politika eto an-tanàna. Mijohy moramora ny ranomaso, mamoaka ny alahelo ilay firenena mikororosy andro aman’alina. Mahaleo tena tokoa ve?
Sarotra ny hamaly ilay fanontaniana, satria mbola voazioga amin’ny endriny samihafa ny ankamaroan’ny vahoaka malagasy. Firifiry no tsy afa-mikofoka manoloana ny geja ataon’ny fiainana. Tsy afa-bela amin-drafahantrana sy ny tsy fananan’asa. Velombelom-poana, zara raha mahita izay hohanina isan’andro. Mahasanganehana ny fahenoana fa misy sokajin’olona eny anivon’ny fiaraha-monina no zara fa misakafo indray mandeha isan’andro, misy aza ny zara fa homana manditra ny andro vitsivitsy.
Tsy asian-teny intsony ny tontolon’ny fanabeazana izay mikororosy andro aman’alina ihany koa. Tsy hita ny hilazana ny taham-pahaizan’ny ankizy. Latsaka ambany dia ambany ny kalitaon’ny fampianarana. Manaraka izany ny fomba fandraisana ny mpanabe. Ny miankina amin’ny fanjakana io, mibaribary fa manao politika miloko volomboasary. Ny sekoly tsy miankina indray, manarama vary masaka ny mpampianatra, ka tsy mifidy intsony mari-pahaizana. Manomboka any amin’ny fanabeazana fototra, hatreny amin’ny anjerimanontolo, ahitana taratra izany. Iaraha-mahalala anefa, fa raha tiana ny hifehy ny fiarahamonina sy ny firenena iray, dia io no zava-misy. Ezahina ny mametraka fanabadoana faobe.
Sehatra iray, tsy azo hamaivanina sy tsy maintsy resahana ny karazana fandemen-tsaina, ataon’ireo mpanjakana ara-panahy. Miorina eraky ny elakelatrano ny trano fivavahana. Manao rano lava ny fahatongavan’ireny milaza fa mpaminany sy pasitera. Tahaka ny tsy misy olo-marina, olomasina sy voahosotra eto Madagasikara. Mahonena, ny mahita ireto Malagasy very fanahy sy voageja. Miha lavaka mangitsokitsoka ny elanelan’ny faripiainan- dry milaza ho olon’Andrimanitra sy ireto ondriny. Saropady nefa ny miady hevitra raha vao resa-pivavahana ka aleo mitandrina hatrany.
Santionan’ny fanandevozana ilana famahana sy fahafahana ireo saingy anjaran’ny tsirairay no maka saina sy misafidy na ho voazanaka izy na hivelatra ka hahaleo tena.
r.r