3 taona no tsy nisy ny hetsika. Nampahafantarina omaly, tetsy amin’ny campus Telma Andraharo, fa raikitra ny « Festival des baleines » andiany fahenina. Hotontosaina ny 15 hatramin’ny 23 jolay izao izany, any amin’ny Nosy Sainte Marie. Toa ny mahazatra tamin’ny andiany teo aloha, fampiarahana ny kolontsaina, ny fizahantany, ny fanatanjahantena ary ny fiarovana ny tontolo iainana ny hetsika.
Hanomboka amin’ny carnaval efa mahazatra izany, ka hitohy amin’ireo hetsika sy fifaninanana maro. Tolotra samihafa ihany koa no homanin’ireo mpandraharaha amin’ny fizahantany, hoan’ireo vahiny ho avy, na avy any ivelany na avy amin’ny faritra hafa eto Madagasikara. Hibahana kokoa ny fanentanana amin’ny fiarovana ny tontolo iainana, fa indrindra ny mahakasika ny zava-boaary an-dranomasina amin’ity. Hisy, araka izany, ny fandefasana horonantsary homanin’ny fikambanana Cetamada, hampahafantarana ny mombamomba ireo trozona izay mpandalo ny fari-dranomasin’i Madagasikara.
Zo ny Aina