Notanterahina omaly, tetsy amin’ny tobin’ny polisy Monisipaly Anosipatrana, ny lanonana famoahana sy fanolorana galona ireo polisy Monisipaly eto anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Tonga nanatrika izany teny an-toerana ny ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra. 7 mirahalahy ireo élève encadreur , andiany faharoa, naseho teo ambany faneva, nandritra izany. Niofana teny amin’ny sekolim-pirenena ambony teny Ivato, nandritra ny 45 andro izy ireo, talohan’izao. Notolorana galona ihany koa ireo polisy Monisipaly am-perinasa 21 mendrika, andiany Fanilo. Tanjona ny hanatsarana ny fomba fiasa sy hamerenana ny hasin’ireo polisy monisipaly eto Antananarivo Renivohitra ireo, raha ny fanazavana hatrany.
« Antoky ny fampandrosoana eto amin’ny faritra Antananarivo ny filaminana sy fandriampahalemana», hoy ny ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra, Andriantsitohaina Naina. Nilaza izy fa manantena vokatra tsara sy hisian’ny filaminana sy fandriampahalemana ny mponin’Antananarivo eny anivon’ny fiaraha-monina misy azy ireo tsirairay avy.
Anisan’ny anjara andraikitry ny polisy Monisipaly ny miaro sy manabe ny vahoaka ary mampihatra ny lalàna, raha ny fanazavana hatrany.
Nisy ny fiaraha-miasa teo amin’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka sy ny kaominina Antananarivo Renivohitra ka nahafahana nanao izao hetsika izao.
Mino (mpianatra asa)