Fikaonandoha fampanan’asa : ampiana hitia ny asa safidiany aorian’ny fianarany ireo tanora

Nikarakara hetsika fikaonandoha momba ny asa (Fo­rum de l’orientation et de l’employabilité), andiany fa­hafito, ny fandaharanasa Se­same. Atao eny amin’ny foiben’izy ireo, etsy Ambatoroka izany ka mitohy anio. Tanora maherin’ny 5000 no andrasana hanatrika izany, raha ny fanazavan’ny mpikarakara. Tanjona ny hanampiana ireo tanora hitady sy hisafidy ary hanana traikefa amin’ny asa tiany aorian’ny fianarana atao­ny eny amin’ny ambaratonga ambony.
“Tsy voafetra ho amin’ny fandraisana ireo tanora hiasa ihany, fa tianay hahita asa maharitra ihany koa izy ireo”, hoy ny talen’ny programme Sesame, Cyril Guillaume. “Zava-dehibe ny hetsika sa­tria mahafantatra bebe kokoa ny lalana tiany haleha eo amin’ny sehatry ny asa ireo tanora”, hoy ny tomponandraikitra misahana ny fitantanana ny mpiasa eo anivon’ny groupe Star, Rakotomalala Fame­non­tsoa. Nohamafisiny hatrany fa tsy ho tia ny asany ireo tanora raha tsy mahatsapa fa mitondra anjara biriky eo anivon’ny orinasa sy ho an’ny firenena iray manontolo mi­hitsy. Ankoatra izay, “ma­nam­py betsaka amin’ny fahatrarana ny tanjona ny fianarana rantovina ka tsy tokony hatao ambanin-javatra”, hoy ny tomponandraikitry ny serasera eo anivon’ny groupe Viseo, Jinah Zara Sandra. Nilaza izy fa tokony ho tsara safidy ireo tanora mba hizotra tsara ny asa ataony. Ahitana hetsika maro samihafa (orientation, table ronde, speed recruting, découverte des métiers…) eny an-toerana. Maherin’ny 40 ireo orinasa mandray anjara mandritra izany. Azo jerena amin’ny aterineto ny hetsika na­nomboka ny 30 mey hatramin’ny 9 jona ho avy izao.

Mino (mpianatra asa)

Partager sur: