Rugby – «XXL Top 20»: hifampitady Ankady sy ny USCAR

Hitohy rahampitso alahady 4 jona, etsy amin’ny kianja Makis Andohatapaneka, ny andro fahefatra amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Ma­da­gasikara, taranja rugby “XXL Top 20”. Fihaonana goavana mi­isa 4 no hotanterahina amin’ izany. Anisan’ny lalao andrasan’ny rehetra ny fifandonan’ny US Ankadi­fotsy (tapany mai­tso) sy ny USCAR, kaominina Antana­na­rivo Renivohitra.
Samy zanaky ny mangotraka ny roa tonta satria manana ireo mpilalao havanana sy mahay. Raha ny fihaonana farany nifanatrehan’izy ireo aloha, hanala vela ry zareo Ankady. Vonona tanteraka hanonitra izay faharesena izay ry zareo. Hanamafy ny fandresena efa azony kosa ny mpilalaon’ny kaominina.
Fihaonana iray be mpanaraka ihany koa ny an’ny SCB Besarety sy ny Cosfa (Be baoty). Manantombo eo amin’ny fahaiza-manao ny miaramila saingy tapa-kevitra ny handavo ireto andrarezina ireto ry zareo Besarety.
Lalao iray hiavaka ny an’ny FTM Manjakaray sy ny 3FAI. Raha tsiahivina, resin’ Amba­la­vao Isotry tamin’ny forfait ry za­reo Manjakaray ka ity ny tsontsorimamba isarahana. Hanokatra ity andro fahefatra ity ny fihaonana eo amin’ny JSTA Ambondrona sy ny Mang’Art Manjakaray.

Tompondaka

Partager sur: