Tsy niova tamin’ny nahafantarana ny tarika roa tonta hatramin’izay fa nanome seho nahafinaritra ho an’ny mpankafy i Njakatiana sy i Bodo. Nahazo tombony manokana ny reny tamin’ny fihirana hira ho an’ny reny niarahan’ny mpahay kanto roa tonta nanao.
Tontosa omaly alahady 4 jona 2023, tao Antsahamanitra ny fampisehoana “Amboaran-kira ho an’i Neny”, niarahana tamin’i Njakatiana sy i Bodo, nokarakarain’ny Gasy Tsara. Maro ny mpankafy tonga nameno ny kianja nanaovana ny fampisehoana. Hira nahafantarana an’i Njakatiana sy i Bodo hatramin’izay no nentin’izy ireo nampifaly ny mpijery.
Ankoatra izay, nisy ihany koa ny fampiaraham-peo teo amin’ny mpanakanto roa tonta nikalona hira, nentina nankalaza ny fetin’ny reny. Mbola tena ao ambavan’ny olona ny hira sy kalon’ireto mpanakanto ireto, na eo aza ny fivoarana sy fiovan’ny zavakanto ankehitriny
Nifanome fotoana, niaraka nankalaza ny fetin’ny reny, teny amin’ny Kianjan’Antsahamanitra ny mpankafy Njakatiana sy Bodo. Zara taona samihafa ary miandahy miambavy ny mpijery ny fampisehoana. Nampiavaka izany ny fikaloana ireo hira ho an’ny reny, nataon’ny mpahay kanto roa tonta. Anisan’ny tena nankafizin’ny maro ny fampiaraham-peo teo amin’ny i Njakatiana sy Bodo, nikalo ny hira “Hafa ihany i Mama” sy ny “Anaro aho”. Ankoatra izay anefa, nisy ihany koa ny fihiran’ireo mpahay kanto ny hirany manokana.
Nalai-nisaraka ny rehetra teny ampiafaran’ny fampisehoana. “Mahafinaritra hatrany ny mianoka fampisehoana ataon’ireo matihanina sy tena mpahay kanto sahala amin’izao. Ny hisian’ny sahala amin’izao maromaro no angatahanay mpankafy”, hoy i Roger, mpankafy. Araka ny nambaran’ny mpikarakara sy ny mpahay kanto, mbola ho avy ny manaraka ary hisy ny fanatsarana hatrany ny zava-bita.
Lin(Mpianatra asa)