Fi.Mpi.Ma – VID Stavanger : voatahiry any Norvezy ny momba ny kabary

Nandritra ny «Sahobin’ny mpikabary» notanterahin’ny Fikambanan’ny mpikabary malagasy maneran-tany (Fi.Mpi.Ma), omaly, tao amin’ ny Carlton Madagascar, etsy Anosy, no nanasongadinan’ Andriamboavonjy Hanitrini­ai­na, filohan’ity fikambanana ity ireo dingana lehibe tontosa tao anatin’ny volana vitsivitsy sy ireo mbola hotanterahina atsy aoriana. Anisan’ny lehibe indrindra tamin’izany ny fifanekem-piaraha-misa eo amin’ ny Fi.Mpi.Ma sy ny Oni­versi­te VID Stavenger any Norve­zy. «Tombony ho an’ny taranaka fara aman-dimby sy ireo liana amin’ny kabary ny fametrahana ny kabary malagasy ao amin’ny arsiva satria voaaro sy voakajy ny kabary malagasy, mifanindran-dalana indrindra amin’ izany ny fiarovana ny maha vakoka azy», hoy ny filohan’ ny Fi.Mpi.Ma. Napetraka tany an-toerana ireo boky aman-gazety sy takelaka mirakitra kabary, ny momba ny fikambanana sy tahirin-kevitra samihafa. Tao anatin’ny iray volana sy tapany ihany koa no nitetezan’ny birao foiben’ny Fi.Mpi.Ma notarihin’An­dri­am­boavonjy Hanitriniaina ireo sampana any Eoropa sy ny manodidina ka nandrehetana ny fanilo faha-60 taona.

Mbola asa lehibe miandry ny Fi.Mpi.Ma kosa ny fananganana ny trano ho foiben-toeran’ny fikambanana atsy ho atsy. Fantatra fa ezahan’ny fikambanana ho toerana ahafahana mitahiry sy mikajy ary hivelaran’ny kabary malagasy no hatsangana.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: