Tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny faha-60 taona an-tsehatra ho an’ny tarika MR Razafy ny nanatanterahina ny fampisehoana «Tsiahy ho an’i Mamy». Seho an-tsehatra notontosaina, omaly, tetsy amin’ny CCEsca Antanimena. Voaporofo fa ao am-pon’ny olona hatrany ny tarika MR Razafy sy ny sanganasan’izy ireo na tsy niakatra sehatra tao anatin’ny fotoana naharitraritra aza.
Nandrasan’ny maro fatratra ireo hira tsy lefy laza tahaka ny «Vazon’ny tantsambo», «Ny sarinao», «Voafitaka angaha ka manambitamby», «Izao no andro hafa indrindra», sns. Ny fahenoana ireny vao mainka nanamafy indray ny tsiahin’ny mpijery. Fahatsiarovana ny tarika MR. Razafy, tany amin’ny 20, 30… 40 taona… lasa sy nampitambolona ny feo kanton’i Mamy.
Notazonin’ny tarika MR Razafy rahateo ilay fomba fisehoana an-tsehatra mampiavaka azy ireo. Anisan’ izany ny fanajana fatratra ny mpijery amin’ny alalan’ireo fomba fiseho, fomba fiakanjo, tononkira mafonja sy misy ventiny, sns. Tranga mbola nanamafy hatrany ny fifandrohizana am-po eo amin’ny tarika sy ny mpijery.
Na nosembanin’ny fahatapahan’ny jiro aza ny seho, omaly, mbola tazana hatrany io fifamatorana akaiky eo amin’ny mpitia zavakanto sy ny tarika MR Razafy io.
HaRy Razafindrakoto