Efa misokatra ho an’ny manam-pikasana handray anjara amin’ny « Madagascourt Film Festival”, andiany faha-18, ny fandraisana anjara. Ity hetsika lehibe ho an’ny horonantsarimihetsika malagasy ity izay hotanterahina ny 18 hatramin’ny 26 novambra 2023. Ny 23 jolay 2023 ny fara fisoratana anarana amin’izany. Mizara efatra ny sokajy ahafahana mandray anjara amin’ny fifaninanana mandritra ny “Madagascourt Film Festival” andiany faha-18. Malagasy sy Afrikanina mpanatontosa no kendrena ao anatin’ity fifaninanana ity, indrindra ireo vao misandratra.
Mitohy hatrany ny fanandratana ny horonantsarimihetsika malagasy ataon’ny fikambanana Rencontre du Film Court miaraka amin’ny mpiara-miombon’antoka aminy. Tanjona amin’ity andiany manaraka ity ny hanao mihoatra ny tamin’ny andiany maro teo aloha. Raha tsiahivina, maro ny Malagasy mpanatontosa nasandratr’ity hetsika lehibe ity, raha tsy hilaza afa-tsy i Hary Joel sy Andry Ranarisoa. Ireo mpanatontosa ireo izay efa manana ny maha izy azy, ary tena mahaliana sy matihanina eo amin’ny tontolon’ny horonantsarimihetsika ny zava-bitany.
Lin (Mpianatra asa)