Farmasianina : 25 ireo nahazo mari-pahaizana

Mpianatra 25 teo ani­von’ny sampam-piofanana Far­ma­sianina, avy amin’ny Anjeri­manontolo Ankatso, nivoaka tamin’ny fomba ofisialy, ny faran’ny herinandro teo. No­tanterahina tetsy amin’ny Carl­ton Anosy ny lanonana. Nitondra ny anarana “Andry Aina”, andiany fahavalo izy ireo. Ankoatra ny lanonana famoahana ireo mpianatra, nankasitrahana manokana ihany koa ireo mpampianatra nandritra izany.
Mbola olana eto amin’ny Nosy ny fahavitsian’ny mpi­anatra mivoaka ho farmasianina, raha ny fanazavana. “Mbo­la ezaka lehibe ny ha­meno ireo farmasianina ma­nerana an’i Madaga­sikara”, hoy ny filohan’ny andiany fahavalo tamin’ireo mpianatra ni­voaka, Andria­malala Miari­soa. Ankoatra izay, tsy mahafantatra ny tena anjara asan’ny farmasianina ihany koa ny ankamaroan’ny va­hoaka malagasy, raha ny zava-misy. Ni­laza izy fa mpivarotra fanafody no ahafantaran’ny olona azy ireo. Nohama­fisiny fa mi­teraka lesoka eo amin’ny fa­hasa­lam-bahoaka ny zava-misy toy izany.

Miandraikitra asa maro
“Maherin’ny 400 ireo farmasianina eto amin’ny Nosy”, hoy hatrany izy. Miasa eo anivon’ny fanjakana ny 20 ary amin’ny sehatra tsy miankina avokoa ny ambiny. Misy ny miasa eny anivon’ny farmasia an-drenivohitra sy ambanivohitra, amin’ny laboratoara… “To­kony hiezaka ho tia fianarana ny ankizy amin’izao fo­toana izao satria manampy amin’ny fitadiavana asa ni­rina sy mifandraika amin’ny talenta izany”, hoy izy. No­ha­ma­fisiny fa tsy tokony hanjifa fanafody eny anivon’ny tsena kely sy eny an’elakela-trano ny vahoaka re­hefa marary fa tokony hanatona toeram-pividianana fa­nafody natokana amin’izany. Mba hitsinjovana ny fa­hasalamana.

Mino (mpianatra asa)

Partager sur: