Nihaona teny By pass ireo fianakaviambe (mpampianatra, mpianatra, mpiara-miombon’antoka…) rehetra eo anivon’ny Polytechnique Vontovorona, ny faran’ny herinandro teo. Tanjona ny hampisehoana ny firaisankina eo amin’izy ireo alohan’ny hankalazana ny faha-50 taonan’ny sekoly, raha ny fanazavan’ny mpikarakara.
« Mahatratra 300 isan-taona ireo injeniera anatin’ny sampam-piofanana 16, mivoaka eny anivon’ny sekoly hatramin’izay nisiany », hoy ny lehiben’ny komity misahana ny fitsipi-pifehezana eny anivon’ny sekoly, Aina Koera. Miavaka ny sekoly amin’ny lentan’ny fampianarana sy ny lalam-piofanana ngeza indrindra manerana ny Nosy. Anisan’ny manofana ireo ankizy hanana diplaoma mikasika ny taotrano (BTP) izy ireo, raha oharina amin’ny sekoly hafa. Miara-miasa amin’ny mpiara-miombon’ antoka maro sy ny minisitera ary ireo teknisianina maro samihafa izy ireo ka nahavitana izany.
Ankoatra izay, mandeha tsara ny fampianarana eny anivon’ny sekoly amin’izao fotoana izao, raha ny fanazavana. An-dalam-panamboarana ny efitrano may eny an-toerana ihany koa ny minisitera taorian’ny fahamaizan’ny bloc 15, ny janoary lasa teo. Hosokafana ny 28 jolay eny anivon’ny sekoly ny ivon’ny fankalazana ny faha-50 taona.
Mino (mpianatra asa)




