Kitra -Seychelles : mamiratra i Jean Tigana

Voahosotra ho tompondakan’i Seychelles, tamin’ity taona 2023 ity ny Foresters, ekipa ilalaovan-dRazafima­nindry Jean Tigana, Malagasy mpilalao baolina kitra. Araka ny fikarohana natao, omaly, izy no mpilalao mendrika nandritra ity taom-pilalaovana tany an-toerana ity, rehefa nahatafiditra baolina 89 sy tolotra 75.
Marihina fa efa nahazo ity amboara ity ny Foresters, ny taona 2020, ary mbola i Tigana ihany no nahazo ny amboaran’ny mpilalao mendrika. Ankoatra izay, efa indimy amin’ity izany i Tigana ny nahazo ny amboaran’ny tompondakan’i Seychelles sy voahosotra ho mpilalao mendrika. Anisan’izany ny taona 2012, 2014, 2016, fony izy tao amin’ny Cot d’Or, ary ny 2020, 2023 tao amin’ny Fo­resters.
Tsiahivina fa anisan’ireo mpilalao nandrafitra ny ekipam-pirenena Barea ny tenany, ny taona 2008-2013. Mpilalao novolavolaina tao amin’ny klioba Akademia ny Antsika Antsirabe ny lehilahy ary niaraka taminy tao i Amada, kapiteny Barea sy ry Carolus, lohalaharana malagasy.
Tsara ny mampahafantatra fa tamin’ny fihaonan’i Ma­dagasikara sy i Nigeria, tamin’ny taona 2012, dia nampiaiky an’i John Obi Mikel, kintan’ny baolina kitra nizerianina, ny fahaizan’i Tigana. Araka io, nangataka ny maillot-n’ity irakiraka malagasy ity i Obi Mikel, taorian’ny fihaonan’izy ireo.

Fitia (Mpianatra asa)

Partager sur: