Judo-« Open Senior de Madrid » : handray anjara Rasoanaivo Laura

Misesisesy ny fifaninanana hatrehan’ny mpikatroka malagasy, Rasoanaivo Razafy Aina Laura, eo amin’ny sehatra Afrikanina sy Eoropeana. Taorian’ny niatrehany ny “Eu­ropean Cup”, tany Pra­gue, hifaninana amin ‘ny “Open Senior de Madrid” indray amin’ny faran’ity herinandro ity. Nambarany fa mba hahafahany mampitombo ny traikefany sy hitsapany ny haavo teknikan’ny mpikatroka Eoropeana ny tanjony amin’izao fiatrehana fifaninanana avo lenta izao. Mbola maro ny fifaninanana hatrehin’i Laura amin’ity volana jona ity, ha­no­­manany ihany koa ireo fifaninanana goavana miandry azy, toy ireo fiadiana ny tompondakan’i Afrika, « Jeux de la Francophonie », ny lalaon’ny Nosy ary indrindra ny lalao olympika 2024.
Raha hiverenana ny fifaninanana “European Cup”, laha­rana faha-5 no nisy an-dRasoanaivo Laura, rehefa resin’ilay teratany okraniana, i Videneiva, nandritra ny famaranana niadiavana ny medaly alimo. Tsara ny ady nataon’i Laura satria nandresy izy tamin’ny fihodinana voalohany, nanoloana an’i Zaryb­nick (Tchèque). Resy kosa tamin’ny fihodinana faharoa saingy niverina tamin’ny heriny nandritra ny repêchage ka nanilika an’i Swinkels (Néer­landais) sy i Herbert (Alle­magne).

Mi.Raz

Partager sur: