Mpanakanto iraisam-pirenena : hanolotra seho tokana ho an’ ny Malagasy i Maître Gims

Tombony lehibe ho an’ny haikanto malagasy ny fanatontosan’ny vahiny mpanakanto fampisehoana eto Madagasikara tahaka izao. Fotoana ahafahana mivelatra sy maneho ny maha izy ny kanto malagasy izany.

Tontosa, omaly talata, teny amin’ny Galaxy An­draharo, ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety, nampahafantarana ny momba ny fampisehoana hotontosain’i Maître Gims eto Madagasi­kara. Ny sabotsy 10 jona 2023, manomboka amin’ny 6 ora hariva, ao amin’ny kianja Barea Mahamasina no hanatanterahana izany fampisehoana izany. Hizara roa ny fampisehoana. Ny tapany voalohany, iarahana amina malagasy mpanakanto ary ny tapany faharoa kosa no hiakaran’ity vahiny ity an-tsehatra. Eo am-pamaranana ny pitsopitsony ny mpikarakara. Marihina fa fampisehoana tokana hataon’i Maitre Gims eto Madagasikara ity amin’ny sabotsy ity, araka ny nambaran’i Nirinarivelo Baholy Nathalie, mpikarakara ny hetsika.

Hanolotra seho goavana sy miavaka ho an’ny Malagasy i Maître Gims, mpanakanto avy any Congo, miangaly ny gadona Rap. Efa ny volana novambra 2022 no saika hanaovana ity fampisehoana ity saingy tsy tanteraka izany noho ny antony avy amin’ity mpanakanto ity. “Ho avy aho amin’ity indray mitoraka ity ary hanome seho miavaka sahazan’ny mpankafy sy ny mpitia mozika malagasy”, hoy i Maître Gims, nandritra ny tafa an-jotra natao taminy. Gadona sy mozika malaza, ankafizin’ny tanora ankehitriny no iangaliany. Hanafana ny tapany voalohany amin’ity fampisehoana goavana ity i Misie Sayda sy Ceasar ary Nael, miaraka amin’i Barhone eo amin’ny lafiny fanentanana. Miara-dalana amin’izany, hisy ny fanentanana ataon’ny mpikosoka kapila.

Hahazo tombony ny malagasy mpanakanto
“Resy lahatra izahay fa fanararaotra sy tombony lehibe ho an’ny mpahay kanto ma­lagasy izao firaisan’izy ireo sehatra amina andrarezina vahiny malaza eran-tany izao. Tanjona ihany koa ny hanome seho miavaka ho an’ny Ma­lagasy, indrindra ny mpankafy Maître Gims eto Mada­ga­si­kara”, hoy Rabefitia Riantsoa, solontenan’ny mpikarakara. Mandritra ny tapany faharoa no hiaka-tsehatra i Maître Gims, hiaraka amin’ny mpandihiny manokana. Ireo hira tena nankafizan’ny maro azy sy ny malaza ankehitriny no hirainy mandritra ity seho ity.
Mpanakanto anisan’ny ma­na­na ny lazany tato anatin’ny 5 taona farany i Maître Gims. Ny taona 2017 izy no nanomboka nalaza tao Frantsa noho ny hamaroan’ny kapila lafony. Nalaza ary tonga hira be mpihaino indrindra ny hirany “La même”, ny taona 2018. Tsy nitsahatra niakatra ny lazan’i Maître Gims ka izy no mpiangaly ny mozika an-tanàn-dehibe nahafeno ny Stade de France voalohany, tamin’ny septambra 2019.

Lin(Mpianatra asa)

Partager sur: