ONG Arovy ny marary: hamerina ny hasin’ny fitsaboana sy hanampy ny marary

30 taona ankehitriny ny ONG Arovy ny marary. Tsirin-kevitra avy amin’ny mpiasan’ny fahasalamana maromaro teo anivon’ny hopitaly CHUJRA no navadika ho asa.

30 taona ny ONG Arovy ny marary (Anyma). Teraka tamin’ny faniriana hampamiratra ny ha­sin’ny fitsaboana eto Ma­da­gasikara, ny taona 1993 sy hahafahana mandray an-ta­nana ny marary rehetra. “Na­nampy azy ireo ny au­mônerie catholique izay ma­hazo fanampiana toy ny fanafody avy amin’ny mpanohana any ivelany ka nozaraina teny anivon’ny sampam-pitsaboana, hanampiana ny marary sahirana”, hoy ny fanazavan’ny filoha lefitry ny Anyma, Dr Ra­ba­ri­jaona Leontine, omaly, teny Andrefan’Ambohijanahary.
Niitatra amin’ny sehatra hafa ny andraikitra fiarovana ny marary ka nampiantrano ireo marary sy ny fianakaviany avy lavitra mitsabo tena eto Antananarivo ny ONG, ny taona 2012. Na­ha­tratra 8 000 ny olona noraisina teny amin’ny foibe sosialy Anyma. Ahafahany manohy ny fitsaboana izay maharitra matetika, nomena vola tohana sy fiofanana ireo fianakaviana hanaovany asa miteraka loharanom-bola (AGR). 60 ny fandriana azo handraisana ka hampitomboana 28 amin’izao fanamarihana ny faha-30 taona izao, miaraka amin’ny mpa­nohana.
50 ny mpikambana ao amin’ny ONG Anyma, 50 koa ny mpiasa mampihodina ny foibe sosialy ary mandrindra ny asa ny masera Claire Anne Esquillan. Tsy vitsy ireo ONG na toeram-pitsaboana avy any amin’ny faritra mandefa ny marary eny amin’ny foibe sosialy rehefa hanaraka fitsaboana maharitra eto Antananarivo. Ho fanamarihana ny hetsika, nanokatra ny varavarany ho an’ny daholobe ny Anyma, omaly, ary nizaha fahasalamana maimaimpoana. Nisy fifampizarana siantifika momba ny fitsaboana samihafa koa ny tapany hariva.

Miandraikitra asa maro eo anivon’ny HJRA ihany koa ny ONG noho ny fitokisan’ny fanjakana.

Vonjy A.

Partager sur: