Mirona amin’ny fidorohana sy fitsindronana zava-mahadomelina ny ankamaroan’ny ankizy sy ny tanora Malagasy, ankehitriny, raha ny zava-misy. “Ampiana hitia sy hivondrona anatin’ny fanaovana fanatanjahantena izy ireo mba hialana amin’ izany”, hoy ny filoha mpitantana ny tanora any amin’ ny faritr’Androy, Goulamaly Jacques Bruno Fils na i Baba Tea Longo, raha nanontaniana teny Ampefiloha, ny herinandro lasa teo. Tanjona ny hitsinjovana ny tanora malagasy mba tsy hivaona amin’ ny fiarahamonina sy hijery kokoa ny hoaviny.
“Betsaka ihany koa ny tanora midonana-poana sy mipetra-potsiny manerana ny Nosy ka mahatonga azy ireo mirona amin’ny zava-mahadomelina”, hoy izy. Nilaza izy fa mampikorosy fahana ny firenena iray ny tsy fahaizana mikolokolo ny tanora. Nohamafisiny fa lalan-diso sy foto-pisainana avy any ivelany ny fironanana amin’ny karazan-java-mahadomelina fa tsy foto-pisainan’ny Ntaolo malagasy. “Ilaina paikady anefa ny fampivondronana azy ireo”, hoy hatrany izy. Tsy maintsy atao amin’ny lafiny rehetra ny fampazotoana sy famolavolana azy ireny mba hahatanteraka ny nofinofiny, raha ny fanazavany hatrany. Marihina fa miatrika fifaninanana ara-panatanjahantena matetika ny ankizy sy ny tanora mivondrona ao amin’ny tarika iandraiketany, any amin’ ny faritr’Androy.
Mino (mpianatra asa)