Miato aloha ny fifaninanana hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby “XXL Top 20”. Efa fantatra avokoa ireo ekipa 16 hiatrika ny dingana ampahavalon-dalana. Mbola misy efatra mihintsana aorian’izay.
Taorian’ny fahavitan’ ny fifanintsanana isam-bondrona, efa fantatra avokoa ireo fileovana 16 tafita amin’ny ampahavalon-dalana, hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara “XXL Top 20”. Hotanterahina ny alahady 18 jona ho avy izao, eny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka izany dingana izany.
Hivadika ho “Top 12” ny fifaninanam-pirenena manomboka amin’ny taom-pilalaovana 2024. Araka izany, ankoatra ny JSTA Ambondrona, ny XV Avenir, ny FTAT ary ny FBM midina any amin’ny D2, mbola hisy efatra hihintsana ihany koa amin’ireo hanao ny ampahavalon-dalana ireo. Izay ratsy vokatra no ho tojo izany, araka ny nambaran’ny teknisianina eo anivon’ny Malagasy Rugby.
Raha ny fandaharana, hifandona ny voalohany sy ny faha-16 ary ny faha-2 sy ny faha-15 dia toy izany hatrany. Tsy misy ny kajikajy fa mihintsana avy hatrany izay resy.
Tompondaka
1-FTM Manjakaray (Dakar) – Isa 20 – Essai 34
2-Cosfa (Bebaoty) – Isa 19 – Essai 45
3-TFMA (Boaikely manohitra) – Isa 17 – Essai 18
4-3FB (Fahasalamana) – Isa 12 – Essai 26
5-Uscar (Kaominina) – Isa 12 – Essai 17
6-TFA Anatihazo (Pilo kely) – Isa 12 – Essai 12
7-STM (Savony) – Isa 12 – Essai 9
8-Mang’Art – Isa 8 – Essai 18
9-TAM Anosibe (Thaillande) – Isa 8 – Essai 12
10-FTBA – Isa 8 – Essai 12
11-UASC (Besetroka) – Isa 8 – Essai 12
12-US Ikopa – Isa 8 – Essai 9
13-SCB Besarety – Isa 8 – Essai 13
14-USA Ankadifotsy (Tapany maitso) – Isa 6 – Essai 5
15-3FAI Ambalavao Isotry – Isa 5 – Essai 10
16-XV FA – Isa 4 – Essai 4