Kitra : hihaona amin’i La Réunion ny Barea U-23

Hifandona amin’i La Réunion, sokajy sénior, ny Barea de Madagascar U23, ny 17 jona ho avy izao, any Frantsa. Lalao ara-pirahalahiana natao hanomanan’i La Réunion, ny lalaon’ny Nosy JIOI 2023, izay hatao eto amintsika, ny 23 aogositra-3 septambra ho avy izao, izany. Ankoatra izay, hifandona amin’i Comores sy ny ekipan’i Paris Atletico Frantsa ny ekipam-pirenena malagasy, mandritra ity varavarankelin’ny federasiona iraisam-pirenen’ny baolina kitra, Fifa, ity. Araka ny fanazavana nataon-dRahari­jaona Solonirina, filohan’ny fikambanana Union des footballeurs internationaux et cadres sportifs malgaches (Uficasm), niova an’ireo ny mpifanandrina amin’ny Ba­rea kely.
Marihina fa tafiditra ao anatin’ny fifanintsanana ho an’ny “4 Nations” ity fihaonana ity. Raha ny vaovao farany dia tsy handray anjara amin’io fifaninanana io i Guinée-Bissau sy i Congo Brazzaville.

Tsiahivina fa namoaka ny lisitr’ireo mpilalao 25, ​​nan­tsoina ho an’ity fifaninanana ity i Boualem Mankour. Araka izany, misy mpilalao efatra avy eto an-toerana, natao ao anatin’ny lisitra mandritra ny fampivondronana izay hanomboka ny talata 13 jona izao.

Tsara ny mampahafantatra fa nisy mpilalao telo tsy afaka manatrika ny fampivondronana noho ny fianarana sy ny fanaovana fialan-tsasatra.

Fitia (Mpianatra asa)

Partager sur: