«Fiba World Cup U19»: hisy manam-pahaizana hitily mpilalao

Hiatrika ny lalao maneran-tany amin’ny taranja basikety “Fiba World Cup U-19”, izay hatao any Debrecen, ny 24 jona- 2 jolay ho avy izao, ny Ankoay lahy. Araka ny fanadihadiana natao, hisy mpitily matihanina “agents recruteurs” hijery amin’io fotoana io. Araka ny filazan’Andriantsarafara Lovasoa, kapitenin’ny An­koay, fotoana fanararaotana hampisehoana ny talenta ny Mondial ka hiezaka mafy izy ireo.
“Miankina amin’io lalao maneran-tany io ny hoavin’ ireo malagasy mpilalao ireo, ka tokony hiezaka mafy izy ireo hampiseho ny tsara indrindra avy aminy”, hoy Randria Aimé, mpanazatra ny Ankoay zandriny. Tsia­hi­vina fa ao amin’ny vondrona B ny ekipa malagasy, miampy an’i Etazonia, Liban, Slovenia.

Efa manao fanazaran-tena ny Ankoay, ary azo antoka fa hampiseho ny heriny mandritra io fotoana io ry Mathias M’Madi sy Donovan, mpilalao mila ravinahitra any ivelany.

Fitia (mpianatra asa)

Partager sur: