Tontosa, omaly, teo ambany fiahian’ny minisitry ny Fiarovam-pirenena (MDN), ny Jly Rakotoarijaona Josoa ny lanonana ara-miaramila telo lehibe izay samy manana ny lanjany, tao amin’ny toby famaharan’ny Tafika an-dranomasina ao Antsiranana…
Notanterahina tao amin’ny toby famaharan’ny Tafika an-dranomasina ao Antsiranana. Lanonana teo ambany fitarihan’ny lehiben’ny Etamazaoron’ireo Tafika, ny Jly Sahivelo Lala Monja Delphin. Anisan’ireo tonga nanotrona izany koa ny masoivohon’i Etazonia miasa sy monina eto Madagasikara, ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena, ny Jly Serge Gellé. Nanokatra izany ny famindram-pibaikoana teo amin’ny lehiben’ny Etamazaoron’ny Tafika an-dranomasina vaovao, ny amiraly Tsiriniaina Gabriel sy ny teo aloha, ny amiraly GA Jacquy Honoré. Nanaraka izany ny famindram-pibaikoana teo amin’ny kaomandin’ny 2BIMA (Bataillon d’infanterie de marine) vaovao, ny capitaine de frigate Randrianantenaina Jean Christian sy ny kaomandy teo aloha, ny capitaine de Vaisseau Berarazana Patricio. Namarana izany kosa ny fitokanana ny “Maritime Operation Center” na (MOC), sampandraharaha miandraikitra ny fandrindrana hetsika an-dranomasina. Nasiam-panamboarana izany vokatry ny fiaraha-miasa tamin’ny Amerikana. Ao amin’ity ivontoerana ity no hitobian’ireo angom-baovao rehetra mandritra ireo hetsika sy iraka tanterahin’ny tan-tsambo eny an-dranomasina. Tanjona lehibe kendren’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena ny fanomezana vokatra tsara kokoa hatrany amin’ny alalan’ireo andraikitra maro sahanin’ny Tafika an-dranomasina ho tombontsoan’ny vahoaka malagasy sy ny firenena.
Jean Claude