Kanto sy tontolo iainana: tanjona ny hampanakoako ny antso fiarovana ny zava-mananaina

Manana anjara amin’ny fiarovana sy fanentanana eo amin’ny fikajiana ny tontolo iainana ny haikanto. Niray feo ny mpanakanto maro nandritra ny hetsika ho amin’izany.

Notontosaina, omaly, teny amin’ny zaridainan’ Antaninarenina, ny hetsika «Ode ry Gasi­karako». Ny Madagascar Brand Communication (MBC) no tompon-kevitra amin’ny fanatanterahana ny hetsika. Mahazo vahana manokana amin’izao hetsika izao ny eo amin’ny lafiny kolontsaina sy ny tontolo iainana. Ankoatra ny maha hetsika fankalazana ny Andro maneran-tany ho an’ny tontolo iainana azy, anisan’ny tanjona ihany koa ny fanomezana tombony sy fanararaotana ho an’ny mpandraharaha sy mpanakanto vao misandratra, indrindra ireo manana tetikasa mahakasika ny tontolo iainana. Fanom­bohana ihany ny eto Anta­nanarivo fa efa misy ny vi­nan’ny mpikarakara ny amin’ny hanatanterahana hetsika amin’ny toerana hafa sy amin’ ny fotoana manaraka mba hampanakoako tanteraka ny antso amin’ny fiarovana sy fikajiana ny tontolo iainana.
Hetsika ara-koltoraly ma­neho fanentanana ho amin’ny fiarovana ny tontolo iainana no notanterahina teny amin’ny zaridainan’Antaninare­nina, omaly. Antsan-tononkalo no­laroina mozika, fanentanana ho an’ny tanora, fiantsana Slam no anisan’ny nentin’ny mpikarakara nandravahana ny hetsika. “Kendrena ao ana­tin’izao hetsika izao ny fampiraisana ny kanto sy ny tontolo iainana noho ny herin’ ny zavakanto amin’ny fanentanana ny olom-pirenena mba ho tonga saina fa tsy misy fandrosoana afaka hajoro raha mbola ao anaty fahapotehana sy marefo ny tontolo iainana”, hoy i Baomiavotse Va­hinala Raharinirina, mpiahy ny hetsika. Lohahevitra niraisan’ny mpanakanto, nanafana ny hetsika, ny fiarovana sy fikajiana ny tontolo iainana. Niavaka kely ny fandraisan’ anjaran’i Orad, mpiangaly Slam poésie, noho ny nitondrany ny fitarainan’ny tany sy ny zava-mananaina tamin’ny feo avo tokoa.

Hahazo tombony ireo nandray anjara tamin’ny hetsika
Dingana iray tontosa izao fampivondronana ny mpahay kanto sy ny mpandraharahan’ny orinasa sy fikambanana miaro ny tontolo iainana izao. Hisy ny fanolorana azy ireo fanararaotra ahafahany ma­nangana fiaraha-miasa amin’ny mpisehatra eo amin’ny tontolo iainana, araka ny nambaran’i Nomenjanahary Anja Nantenaina, mpandrindra ny MBC.
Ankoatra izay, nisy ny vahaolana naroson’ireo tanora tamin’ny alalan’ny fanaovana atrikasa fifampizarana sy fampirantiana. Nanodidina ny 15 ny mpandray anjara tamin’izany fampirantiana izany, araka ny nambaran’ny mpikarakara. Tanjona niraisan’izy ireo ny fandrosoana vahaolana hiarovana ny tontolo iainana.

Lin (Mpianatra asa)

Partager sur: