Sekoly mendrika : mpifaninana ny EPP Bekily I

Nikarakara hetsika “Se­koly mendrika” ny tetikasa SCORE. Manaja ny fenitra takin’ny fivoarana misy ankehitriny ny fampianarana tsara kalitao ka miantoka voalohany izany ny fampianarana iandraiketan’ny mpampianatra matihanina. Ny fitantanana mahomby, mampianatra ny mangarahara sy ny tambe­rin’andraikitra amin’ny fitantanana ny tolotry ny fanabeazana fototra. Sekoly manana tontolo mahafinaritra, mandrisika ary mahasalama sy miaro ny mpianatra. Ireo ny mari-tondro ho tsarain’ny tetikasa ho an’ny sekoly mpifaninana.
Ny EPP Bekily I, ao amin’ny faritra Androy, no anisan’ny sekoly nahazo kintana dimy, raha ny vokatry ny fizohiana sy ny fanaraha-maso faharoa nataon’ny tetikasa SCORE teny ifotony, raha nahazo kintana efatra izy nandritra ny fanaraha-maso voalohany. Nisy ny fivoarana azo tsapain-tanana vokatry ny tan-tsoroka nomen’ny eki­pan’ny tetikasa sy ny ezaka nataon’ny mpisehatra rehetra hanatsarana ny sekoly.
Mampivelatra ny ankizy amin’ny lafiny rehetra, hahatsara ny voka-panadinana ny sekoly mendrika ary hampahomby ny mpianatra sy ny sekoly miaraka.

Vonjy

Partager sur: