FJKM Amparibe Famonjena : hotsofin-drano ny mpitandrina Solofonirina

Hotanterahina ny alahady 25 jona ho avy izao, ny fisotroan-drononon’ny mpitandrina Raharijaona Solofonirina mivady, ao amin’ny FJKM Amparibe Famonjena. «Fa ianareo no voninahitray sy fifalianay», I Tesalonianina 2: 20 ny tenin’Andriamanitra amin’izany. Nambaran’i Anja Razafy, anisan’ny komity mpikarakara fa hiavaka ny fotoana, satria tafiditra ao anatin’ny alahadin’ny taranaka sy ny fianakaviana.
Hetsika gasigasy ny lohahevitra nomena ny lanonana, araka izany, entanina ny rehetra hanao fitafy gasy. Ha­nomboka amin’ny 9 ora ny fotoam-pivavahana, aorian’izay, hisy ny fiaraha-mihinana sakafo gasy toy ny ravitoto, ny koba sy ny hafa, arahin’ny fanentanana samihafa ataon’ny sampana rehetra sy ny mpanakanto zanaky ny fiangonana.
Ny folakandro, manomboka amin’ny 5 ora sasany hariva, toy ny fanaon’ny RFF Amparibe Famonjena isan-taona, misy ny takariva hitondrana am-bavaka ny firenena sy fangataham-pitahiana, ireo mpanala fanadinana, andiany faha-21. Hisy ny seho an-tsehatra iarahany amin’i Henri Ratsimbazafy, amin’io. “Sambatra ny firenena izay manana an’i Jehovah ho Andriamaniny”, Salamo 33: 12a ny tenin’Andriamanitra ho raisina amin’io. Ho fety tokoa, araka izany, io alahady 25 jona io. Koa miantso ny rehetra ny komity misahana ny fisotroan-drononon’ny mpitandrina Raharijaona Solofoniriina, ho avy hanome voninahitra an’Andriamanitra sy hiara-paly amin’ny FJKM Amparibe Famonjena.

Vonjy

Partager sur: