Fitsinjovana ny mpiasa : hatsaraina ny fiahiana ara-tsosialy

Notanterahina tetsy amin’ ny Carlton Anosy, omaly, ny famaranana ny volan’ny fiahiana ara-tsosialy izay natomboka tamin’ny volana mey lasa teo. Hetsika nokaraka­rain’ny minisiteran’ny Mpo­nina, niarahany tamin’ireo mpiara-miombon’antoka. Fotoana nakana ny hevitr’ireo mpisehatra rehetra mikasika ny fiahiana ara-tsosialy. Tan­jona ny hanatsarana ny paikady nasionaliny momba izany eto Madagasikara, raha ny fanazavana.
«Ambany ny tahan’ny mpiasa misitraka ny fiahiana ara-tsosialy eny anivon’ny orinasa satria manodidina ny 20% izany», hoy ny Sekre­tera jeneraly eo anivon’ny asa sy ny lalàna sosialy, Raza­fimanantsoa Jerison. Nilaza izy fa tsara ny ezaka amin’ny fanaovana ny fandaharan’asa hijerena ny sosialin’ny mpiasa sy ny sokajin’olona sahirana toy izao. «Mila havaozina ihany koa ny fehezan-dalàna mikasika izany satria tsy mamaly ny filàn’ny vahoaka malagasy intsony», hoy izy nanamafy. Mba hijerena ny tombontsoan’ny mpiasa sy ny vahoaka malagasy iray ma­nontolo.
Anisan’ny nodinihina nandritra ny fihaonana ny fiahiana ara-tsosialy andraisana anjara na mandoa latsakemboka. Nivoitra tao koa ny fijerena ny tolotra tsy misy latsakemboka. Ezahina ny hampahafantatra sy hampiditra tsikelikely ny olona ho amin’ny fiahiana ara-tsosialy misy latsakemboka, raha ny fanazavana. Voakasiky ny paikady avokoa ny mpiasa rehetra eny anivon’ny orinasa ary hitarina any amin’ireo miasa tena izany.

Mino (mpianatra asa)

Partager sur: