CUA- Fahasalamana sy fahadiovana : niampy 40 ny “inspecteur d’hygiène” hanara-maso

Nampitomboina ny isan’ireo “inspecteur d’hygiène” hiasa, hanara-maso ny fahadiovana sy fahasalamana eto Antananarivo. Midina ifotony mijery ny zava-misy izy ireo ary mampihatra ny sazy mifanaraka amin’izany.

Mpianatra “inspecteur d’hygiène” 40 na­voaka tamin’ny fomba ofisialy, omaly. Natao tetsy amin’ny Lapan’ny Ta­nàna Analakely ny lanonana natrehin’ny ben’ny Tanà­nan’Antananarivo Renivo­hitra. Nampitondraina ny anarana hoe : «Asina» izy ireo tamin’izany. «Fanamby na­taon’ny kaominina Antana­narivo Renivohitra ny hametraka filaminana sy fahadiovana eo anivon’ny tanàna iadidiany», hoy ny ben’ny Tanàna, Andriantsitohaina Naina. Tanjona ny hanampiana ny mponina ho tia sy hanaja ny fahadiovana eny ani­von’ny fiarahamonina sy ny toerana misy azy ireo tsirairay avy.
«Maro ireo olona tsy manana toeram-pivoahana ka manary izany amin’ny toerana tsy natokana amin’izany», hoy ny filoha lefitra faha­roan’ny ben’ny Tanàna, ny Kly Andriamanday Naina. Maro ihany koa ny toerana mihandron-drano noho ny fanorenana tamboho tsy ara-dalàna ka miteraka loto sy fofona maimbo ary fahasorenana amin’ny mponina izany. Nohamafisiny fa mahatratra 80 % ireo fitarainana voarain’ny kaominina Antananarivo Renivohitra mikasika izany.

Hampiharina ny sazy
Anjara andraikitr’izy ireo ny manara-maso eny ifotony sy manentana ary mampihatra ny fitsipika momba ny fikoloana sy fahadiovana ara-pahasalama (Code municipal d’hygiène) ho an’ny mpo­nin’Antananarivo. Mijery ny fahadiovan’ny sakafo eny anivon’ny mpivarotra hani-ma­saka rehetra eny ihany koa izy ireo. «Nampiharina ny sazy ho an’ireo tsy manaja ny fahadiovana, ary mbola hihamafy hatrany izany», hoy izy. Ampitandremina sy ampianarina ny olona tratra tsy manaja izany, alohan’ny hanasaziana azy ireo, raha ny fanaza­vana.

Mino (mpianatra asa)

Partager sur: