Nanatanteraka fizarana kopia faobe, andiany voalohany, ny boriborintany I, omaly. Maherin’ny 476 ireo kopia voazara nandritra izany. Tetikasa nokarakarain’ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny Organisation Internationale de la Francophonie (OIF). Nisitraka izany ireo ankizy 1177 eo anelanelan’ny herintaona hatramin’ny 17 taona manerana ny fokontany 44 eo anivon’ny boriborintany.
Mbola betsaka ny tsy manana kopia raha ny zava-misy eto Antanananrivo. “Olana mahatonga izany ny tsy fahampian’ny enti-manana eo amin’ny tokantrano sy ny fahatahorana miditra birao”, hoy ny delegen’ny boriborintany faharoa, Rabemanjara Charmant d’Assise. Tanjona ny hanaovana laharam-pahamehana ny sosialim-bahoaka, amin’ny alalan’ny fanampiana sy fanomezana tosika azy ireo. Manampy betsaka ny ankizy sy tanora amin’ny fianarany sy amin’ny fanaovana kara-panondro ary ny fisoratam-panambadiana ny kopia. Mbola hisy andiany faharoa ny tetikasa fizarana kopia faobe ary hanentanana ireo ray aman-dreny mbola tsy nahavita ny kopian-janany mba hanatona ny fokontany misy azy.
Mino (mpianatra asa)




