Tenisy – Billie Jean King Cup : lavon’i Madagasikara i Lesotho

Taorian’ilay fandresentsika, tamin’ny isa 2 no ho 1 nanoloana an’i Cameroun, nahazo vokatra tsara indray ny ekipam-pirenena malagasy, taranja tenisy, sokajy vehivavy, ny talata lasa teo. Nomontsanin’ny ekipam-pirenena malagasy, tamin’ny isa 3 no ho 0, ny mpilalaon’i Lesotho, nandritra ny andro faharoa amin’ny fifaninanana «Billie Jean King Cup».
Lavon-dRanaivo Narin­dra, tamin’ny seta 2 no ho 0, (6/0, 6/0) i Manyama Maisa, teo amin’ny lalao simple 2. Nandresy an’i Kamo­helo Khabele, tamin’ny seta 2 no ho 0, ( 1/6, 0/6 ) koa i Voa­viandraina Harena, lalao simple 1. Resin-dry Ranaivo Mialy sy Andraina Mitia, tamin’ny seta 2 no ho 0, (6/0, 6/0) ry Kekeletso Moseme sy i Seapei ary Senatla, nandritra ny fihaonana “double déci­sive”.
Araka izany, fandresena roa izay no azon’ny mpilalao malagasy. Nihaona tamin’i Sénégal moa izy ireo, omaly, saingy mbola andrasana ny vokatra. Marihina fa ao amin’ ny groupe 4 ny ekipam-pirenena malagasy ary izay tompondaka ihany no miakatra groupe 3. Tsiahivina fa ankoatra ny lalao maneran-tany, sokajy vehivavy, hiatrika ny “Davis Cup”, Mondial ihany koa ny lehilahy. Tsara ny mampahafantatra fa natao hanomanana ny lalaon’ny Nosy izay hatao eto amintsika ny 23 aogositra-3septambra ho avy izao, ireo fifaninanana roa ireo.

Fitia (Mpianatra asa)

Partager sur: