« Mercato Juin »: lasan’i Real Madrid i Bellingham

Taorian’ny fahalasanan’i Karim Benzema nifindra lasy any Arabia Saodita, Al Ittihad, ny talata lasa teo, nahazo mpilalao vaovao ny Real Madrid. Azon’izy ireo ilay anglisy milalao ao amin’ny Dortmund, Alemana i Jude Bellingham, omaly, araka ny vaovao niely eraky ny tambajotran-tserasera. Mitentina 103 tapitrisa euros ny vidin’i Bellingham, araka ny fikarohana natao.
I Bellingham indray izany no mpilalao handimby an’i David Beckham, kintan’ny baolina kitra anglisy izay nilalao tao amin’ny Real fahiny. Tsiahivina fa i Bellingham dia voahosotra ho mpilalao mendrika indrindra tao Ale­maina tamin’ny fifaninanana “Bundes liga”, tamin’ity taom-pilalaovana 2022-2023 ity.
Ankoatra izay, mandeha ny resaka fa hilalao any amin’ ny klioba Inter Miami Eta­zonia, ilay kintan’ny baolina kitra arzantina, Lionnel Messi. Tsara ny mampahafantatra fa klioba efa nilalaovan’ i Beckham ihany koa izy io.
Marihina fa nifarana tamin’ity volana jona ity ny fifanarahana eo amin’i Messi sy ny PSG. Araka ny vaovao voaray, tsy mpanazatra an’ity klioba parizianina ity intsony koa i Christophe Galtier, noho ireo vokatra tsy nahafapo nandritra ity taom-pilalaovana 2022-2023 ity.

Fitia (Mpianatra asa)

Partager sur: