Naiditra am-ponja eny Antanimora ny lehilahy iray raha nomena fahafahana vonjimaika ny vadiny rehefa avy natolotra ny fampanoavana, afakomaly. Voarohirohy ho manao fisolokiana ireo sahirana ara-pivelomana izy mivady. Misandoka amin’ny anaran’ny “Association Fitia” sy ny vadin’ny filohan’ny Repoblika, Mialy Rajoelina, izy ireo.
Ny zandary teo anivon’ny sampana fikarohana heloka bevava (SRC) Fiadanana no nisambotra ny mpisoloky. Tonga nitaraina tany amin’ny biraon’ny “Association Fitia” ny olona maromaro nilaza fa nisy olona naka ny volany. Tany anaty tambajotran-tserasera facebook no nifaneraserana. Nampanantenaina fa hahazo fanampiana.
Toy izao ny fomba fanaon’ ireo mpisoloky: manokatra kaonty facebook amin’ny anaran’ny vadin’ny filoham-pirenena ilay lehilahy. Liana ny olona satria miresaka mivantana amin’ny hafatra miafina (MP). Misy laharana omeny. Asainy mifandray hafatra amin’ny tomponandraikitra iray ao amin’ny fiadidiana ny Repoblika, PDG Marline. Tsy iza anefa fa ilay mpisoloky ihany.
Mampiasa kaonty Mialy Rajoelina
Mamaly ireo hafatra voaray izy. Mitaky dingana maromaro. Miafara amin’ny fandoavana vola 35 000Ar. Esoriny tsy afa-miresaka aminy amin’ny facebook intsony, sady tsy afaka miantso no tsy afaka mandefa hafatra izay lasibatra. Ampolony maro no niharan’ny fisolokiana.
Nitory ny Association Fitia, taorian’ny fitarainan’ny olona. Nanokatra fanadihadiana ny zandary ao amin’ny SRC. Nandeha ny fikarohana, tratra izy mivady. Nampiasa laharana finday maromaro amin’ny anaran’izy ireo. Nahafahana nanokatra ilay kaonty facebook Mialy.
J.C