Tenisy – « Billie Jean King Cup »: lavon’i Madagasikara i Sénégal

Mitohy ny fahombiazana azon’ireo vehivavy malagasy mpilalao, miaro ny voninahi-pirenena amin’ny fifaninanana maneran-tany, « Billie Jean King Cup », taranja tenisy. Resin’izy ireo, tamin’ny isa 3 no ho 0, i Sénégal.

Mitombo ny vokatra tsara azon’ny ekipam-pirenena mala­gasy vehivavy, amin’ny fifaninanana eran-tany « Billie Jean King Cup », taranja tenisy. Resin’izy ireo, tamin’ny isa 3 no ho 0, i Sénégal, nandritra ny andro fahatelo, izay natao ny alarobia lasa teo, tany Kigali Rwanda.
Lavon-dRanaivo Mialy, tamin’ny seta 2 no ho 0, (6/0, 6/0) i Manyama Maisa, teo amin’ny lalao simple 2. Nan­dresy an’i Kamohelo Khabele, tamin’ny seta 2 no ho 0, (1/6, 0/6) ihany koa i Voavian­draina Harena, lalao simple 1. Resin-dry Ranaivo Narindra sy Voa­viandraina Harena, tamin’ny seta 2 no ho 0, (6/1, 6/1) ry Lea Crosetti sy Sokhna Diatta, nandritra ny fihaonana “double décisive”.
Tsiahivina fa intelo amin’ ity isika no nahazo fandre­sena. Anisan’izany, ny fandresena tamin’ny isa 2 no ho 1 nanoloana an’i Cameroun, raha toa ka 3 no ho 0, ny fifanandrinana tamin’i Lesotho. Araka ny fikarohana natao, i Congo no ekipa hihaona amin’ ny Malagasy manaraka.
Marihina fa ny 10 jona ho avy izao vao hifarana ny “Billie Jean King Cup”. Ankoatra izay, ao amin’ny groupe 4 ny ekipam-pirenena malagasy ary izay tompondaka ihany no miakatra ho groupe 3.
Tsara ny mampahatsiahy fa ankoatra ny lalao maneran-tany, sokajy vehivavy, hiatrika ny “Davis Cup”, Mondial ihany koa ny lehilahy, fifaninanana hotanterahina, any Kinshasa, ny 19 jona ho avy izao. Araka ny nambaran’ny tale teknika eo anivon’ny federasiona, amin’ny taranja ity (FMT), natao hanomanana ny lalaon’ ny Nosy izay hatao eto amin­tsika ny 23 aogositra-3septam­bra ho avy izao, ireo fifaninanana roa ireo.

Fitia (Mpianatra asa)

Partager sur: