Nankatoavina nandritra ny filankevitry ny minisitra, ny alarobia 7 jona teo, ny hanomezan’ny fanjakana ny fanampiana ara-bola ho an’ny Comité d’organisation des Jeux des îles (COJI). Ho fanomanana sy fiatrehana ny lalaon’ ny Nosy, hatao eto Madagasikara, ny 25 aogositra hatramin’ ny 3 septambra ho avy izao, no anton’izao fanampiana ara-bola izao. Hiantoka tanteraka ny fiantohana sy fanatanterahana ny lalaon’nyNosy eo amin’ny lafiny ara-teknika, ara-pitaovana, ara-bola, ara-pitantanana, na eto amin’ny sehatra nasionaly izany na eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena.
Nanamafy ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry, fa hanome ohatra tsara amin’ny fahaizana mandray vahiny i Madagasikara. « Carte Sim » miisa 4000 no hozaraina ho an’ny vahiny hanamafisana ny fifandraisana. Hisy ihany koa ny fanofanana ny tomponandraikitra amin’ny arofenitra sy ny serasera ary indrindra ny fiantohana ny fandriampahalemana mandritra ny fotoanan’ny lalao.
Anisan’ny teboka noresahina koa ny momba ny fikarakarana maro toy ny sakafo, ny fitaterana, ny famaritana ireo toerana hanaovana ny fifaninanana isan-karazany sy ny isan’ny taranja ary ireo medaly hiadivana. Nanome toromarika ny filoham-pirenena ny hamitàna ny asa fanamboarana na fanatsarana ireo fotodrafitrasa rehetra.
Mi.Raz