Fiarovana ny zon’ny mpamorona: hisy ny firosoana amin’ny haitao ara-kajy mirindra

Tontosaina nanomboka ny 6 jona 2023, ny fihaonamben’ny firenena mpikambana ao amin’ny Unesco eo amin’ny fiarovana sy fampandrosoana ny fahasamihafana ara-koltoraly, andiany fahasivy. Ani­sany miatrika izany i Mada­gasikara, amin’ny alalan’ny delegasiona tarihin’i Lala­tiana Rakotondrazafy, minisitry ny Serasera sy ny ko­lontsaina. Nasongadiny nandritra ny fandraisam-pitenenany ny ezaka ataon’ny fanjakana amin’ny fampiroboroboana ny lafiny kolontsaina. Nisongadina tamin’izany ny fanavaozana ho maoderna sy niomerika ny fomba fiasa eo anivon’ny «Office malagasy du droit d’Auteur» ( Omda).
Ankoatry ny fanaovana tatritra ny ezaky ny fitondrana ho fampiroboroboana ny kolontsaina. Nambaran’ny minisitry ny Kolontsaina ihany koa ny tetikady entin’ny fitondram-panjakana hiarovana ny zon’ny mpamorona, nandritra ny andro faharoan’ny fivoriana niresahana ny fiarovana ny mpahay kanto ao anatin’ny haitao ara-kajy mirindra. Hisy ny famoronana rindram-baiko hanaraha-maso ny fampiasana ny sanganasan’ny mpahay kanto tsirairay. Nanga­taka fiaraha-miasa tamin’ny mpahay kanto ihany koa ny minisitra tompon’andraikitra ny hampidiran’izy ireo ny sanganasany anatin’izany rindram-baiko izany. Ny eo amin’ny Omda izay mbola amin’ny alalan’ny boky no andraketana ireo sanganasan’ny mpahay kanto.

Lin(Mpianatra asa)

Partager sur: