Fanatsarana ny toeram-ponenana : nitsidika ireo fotodrafitrasa vita ny ben’ny Tanànan’Antananarivo

Maherin’ny 15 ireo foto­drafitrasa vita tao anatin’ny programan’asa ifarimbonana hanatsarana ny toeram-pone­nana tsizarizary (PIATT), eto Antananarivo. Nisitraka izany, ny fokontany Andavamamba Anatihazo I, Manarintsoa Afo­voany, Manarintsoa Atsinanana ary Manarintsoa Anatihazo. Tonga nitsidika izany ny ben’ ny Tanànan’Antananarivo Re­nivohitra sy ny solombavambahoakan’ny boriborintany voalohany, omaly.

Maro ny fotodrafitrasa vita teny anivon’ireo fokontany ireo toy ny tetezana, toeram-panasan-damba, bloc sanitaire, zaridaina, fananganana sy fana­tsarana biraom-pokontany, trano fidiovana, toeram-pilalaovana … Nahafaly ny mponina avokoa ireo satria namaly ny filàn’izy ireo, raha ny fanaza­vana. Tanjona ny hampivoarana sy hanatsarana ny toe-piainan’ ny mponina sy ny tontolo iainan’ ireo mipetraka eny amin’ny toeram-ponenana tsizarizary. Nisy ny fiaraha-miasa teo amin’ ny kaominina Antananarivo Renivohitra, ny minisiteran’ny Fanajariana ny tany sy ny fananantany, ny Sekreteram-panjakana misahana ny tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana ary ny Un habitat.

Mino (mpianatra asa)

Partager sur: