Fiahiana ara-tsosialy: hitarina ny famatsiam-bola ho an’ireo vahoaka marefo

Mitohy hatrany ny fandinihana sy fakan-kevitra eo amin’ny mpisehatra maro samihafa hanatsarana ny fiahiana ara-tsosialy. Tanjon’izy ireo ny hanampiana ireo vahoaka marefo eto amin’ny Nosy mba hahafahany mihary.

Nitohy omaly, tetsy amin’ ny Carlton Anosy ny fakan-kevitra handinihana ny fiahiana ara-tsosialy eto Madagasikara. Niarahan’ ny minisiteran’ny Mponina sy ny FID manatanteraka izay novatsian’ny Vondrona eoro­peanina vola. Nivoitra nandritra izany, ny hanitarana sy hampidirana ny famatsiam-bola hanampiana ireo vahoaka marefo mba hahafahan’izy ireo mihary. Tanjona ny ha­nampiana azy ireo sy ham­piakarana ny faripiainan’ny vahoaka malagasy iray ma­nontolo, raha ny fanazavana.
« Manodidina ny 1.500.000 ireo vahoaka sahirana nisitraka ny fiahiana ara-tsosialy teto Madagasikara hatramin’ izao», hoy ny tale jeneralin’ ny Fid, Andrianantenaina Jaona. Nahafahana nijery ny lafiny maha olona ho an’ireo vahoaka sahirana teo amin’ny sehatra maro isan-karazany (fahasalamana, fambolena, fiompiana…). Nahafahana nanome tosika ara-bola ho an’ny fianakaviana marefo, nampidirana an-tsekoly ireo ankizy, izay efa mahatratra 96% ny tahan’izany hatramin’ izao. « Nanampy betsaka ny mponina sy ny ankizy hiditra an-tsekoly sy hisakafo ara-pahasalamana, hisitraka fi­tsaboana ary hanana fidiram-bola ara-dalàna ny fiahiana ara-tsosialy », hoy hatrany izy. “Hamafisina ny fandrindran’ny fitondram-panjakana sy fanatanterahana ny pai­kady nasionaly mba hanatsarana ny fiahiana ara-sosialy eto Madagasikara », hoy kosa ny tale jeneralin’ny fiahiana ara-tsosialy eo anivon’ny mi­nisiteran’ny Mponina, Rato­voma­monjy Anja Hobiniaina.

Mino (mpianatra asa)

Partager sur: